Entry | 1 Eritreritra fahavaratra |
Elementary words | 2 eritreritra, 3 faha~, 4 varatra |
Part of speech | 5 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 6 Literature: poems |
Author |
7 Rabearivelo Jean-Joseph |
Full text |
8 Mijononoka moramora ny orana avy hariva, 9 Ny alina madiva, 10 Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany, 11 Ka hitondra any ho any... 12 Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy 13 Toa reraka, manahy? 14 Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao 15 Izay mameno, no injao 16 Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina 17 Toa rano nafanaina? 18 Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory 19 Ny jiroko. Matory 20 Izay rehetra manoloana ny masoko mahery. 21 Aiza ho aiza no miery, 22 Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo? 23 Avia mamoaka feo, 24 Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao 25 Izay tena teninao, 26 Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy... 27 Mitenena, ry Fanahy. 28 Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany; 29 Mangina koa ny tany, 30 Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony, 31 Tsy misy tsy mba tony... 32 Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be 33 Ny fitiavako handre 34 Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra! 35 Tsy mbola tena sambatra, 36 Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina 37 Ka he! mitaintaina! 38 Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva. 39 Ny andro dia madiva 40 Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany 41 Ka hamerina avy any... 42 Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy 43 Toa trotraka, manahy? 44 Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao 45 Izay namonto, no injao 46 Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina, 47 Toa rano nafanaina? |
Updated on 2025/10/11 |
![]() |